Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana : Nahafoy ny ainy ireo maherifo noho ny fitiavan-tanindrazana

«Tokony ho sahy hijoro hatrany isika hampiseho ny hambom-pom-pirenena. Mila sahy mijoro sy maneho fa manana tanjona iraisina isika ho mariky ny fitiavan-tanindrazana. Nahafoy ny ainy ireo ma­­herifo noho ny fitiavan-tanindrazana», hoy ny Praimi­nisitra (PM) lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mami­tiana, nandritra ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-78 taona nitifirana ireo maherifo teny amin’ny sahan’Ampitifi­rana Ankatso, omaly. Hetsi-pahatsiarovana ho an’ireo niady ho fahafahan’i Madaga­sikara teo ambany vahoan’ireo mpanjanaka dia ny Lietnà Randriama­romanana Albert, Rakoton­drabe Samuel, Ratsizafy Samüel, LEZOMA ary BEKAMISY. Nohamafisin’ ny PM fa mitaky fanovana toe-tsaina avy amintsika Mala­gasy mba tsy ho very maina ny ra nalatsak’ireo maherifo. Nanaitra ny hambom-pon’ny Malagasy re­hetra ka nametra-panontaniana hoe mbola misy Mala­gasy sahy ho faty ho an’ny fitiavan-tanindrazana ve ankehitriny ? Notsindriany ma­no­kana fa ma­herifon’ny firenena ny Filoha ankehitriny satria sahy nijoro nanohitra ny jadona ary niantso ny rehetra ha­nohana azy mba ho fanavaozana tokoa an’i Madagasi­kara. «Miantso ny rehetra aho. Jereo i Mada­gasikara. Ny kolikoly no tena fahavalom-pirenena. Malaga­sy manao tantireraka ny ankamaroan’ny Ma­lagasy sasany amin’izao», hoy izy. Nana­mafy ny minisitry ny Foloalin­dahy, ny Jly Razafitom­­bo Maminirina Ely, fa mendrika hotsaroana tokoan izao fotoana izao satria maneho ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahafoizan-tenan’ireo maherifo izay nandray anjara lehibe tamin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahafahany.

Jean Claude

Partager sur: