Miverina mihatra manerana ny Nosy ny hamehana mahakasika ny angovo manoloana ny toe-draharaha maneran-tany. Fanapahan-kevitra nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny zoma teo noho ny fiverenan’ny ady ao “Moyen-Orient”, izay miantraika amin’ny tsenan’ny solika maneran-tany. Fotoana ihany koa ahafahan’ny fanjakana mandray fepetra hiantohana ny famatsiana, hitohizan’ny tolotra. Hampihena koa ny fiantraikan’ny mety hiakaran’ny vidin-tsolika amin’ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa roa herinandro lasa izay no namerina ny rafitra fanitsiana ny vidin-tsolika i Madagasikara, izao miditra amin’ny hamehana momba ny angovo izao indray ny firenena. Marihina fa mbola tsy niova hatreto ny vidin-tsolika ka mijanona ho 4 860 Ar ny litatry ny gazoala. Mbola 5 100 Ar izany ho an’ny lasantsy SP 95 ary 3 710 Ar ho an’ny solika fandrehitra.
Henintsoa




