Lehilahy voasambotra : Namono ny vadiny sy nandratra ny rafozany

Voasambotry ny zandarimariam-pirenena tany Sambava, afakomaly alahady, ilay lehilahy 29 taona, tompon’antoka tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny sy nandratra ny rafozam-baviny tany an-toerana. Voa­sambotra ora vitsy taorian’ny nanaovany ny asa ratsiny izy, raha ny tatitra voaray hatrany. Taorian’ny fisamborana azy, napetraka sy natao andrimaso amin’ny toerana azo antoka ny tenany mba hisorohana ny mety ho fitsaram-bahoaka.
Tsiahivina fa novonoin’ity lehilahy ity tamin’ny antsy ny vadiny, ny alahady maraina teo, ka maty tsy tra-drano. Noratrainy ihany koa ny rafozam-baviny ka naratra mafy, ary mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly hatramin’izao. Nampandre ny mpitandro filaminana tany an-toerana ny vahoaka taorian’ny fahitana ny trangana vono olona. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana sy nijery ny zava-misy avy hatrany izy ireo taorian’ny antso. Natao ny fikarohana ny olon-dratsy, tompon’antoka tamin’ny vono olona. Tratra ora vitsy taorian’izay ity farany. Hatolotra ny fitsarana ny tenany aorian’ny fahavitan’ny zandary ny fanadihadiana.

Mino

Partager sur: