Dimy lahy saika hanafika fiara teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ravan’ny zandary ny alin’ny 20 jolay 2026 teo. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny Zana-tobim-paritra Ambalanjanakomby rehefa nahare ny tranga. Nikasa hanararaotra fiara “en panne” teo amin’ny toerana antsoina hoe “Pont Jakoba” ireo olon-dratsy ireo. Nandositra izy ireo vantany vao nahita ny zandary ary mbola nitifitra fiara fitateram-bahoaka hafa nifanena tamin’izy ireo. Tsy nisy ny naratra sy namoy ny ainy.
Fihinana soka-dranomasina. Zaza telo taona sy zaza zaza iray 18 volana namoy ny ainy, nihinana henan-tsoka-dranomasina tany Antahala ny 18 jolay 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Olona 10 hafa mbola manaraka fitsaboana. Nivory haingana ireo mpitsabo avy ao amin’ny CSB-II Ambohitralalina taorian’izay. Nentanina ireo marary mba hanatona ny CSB-II faran’izay haingana. 106 no isan’ny nahahinana ny trondro misy poizina voatily.
Voasambotry ny zandariam-pirenana teny Itaosy, ny 15 jolay 2026 teo, ilay vehivavy nisoloky vidim-bokatra mitentina 160 tapitrisa Ariary. Nanao filazana tao anaty kaonty fesibokiny ny tenany izay manambara fa mividy entana maro toy ny vary, voanjo, kafe, katsaka, sy ny maro hafa. Efa nahatratra valo ireo olona voasolokiny sy nametraka fitoriana azy teny amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena tamin’izany. Mitentina 160 tapitrisa ariary ny entana sy ny tombam-bidy lasany isaky ny mpitory.




