Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 16 jolay teo, ny tetezamby vao napetraka eo amin’ny reniranon’ Ivoloina, Sandahatra. Nanatanteraka ny asa ny orinasa Big Beton. Nitarika ny fotoana ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Razafiarison Jean Jugus. Simba ny tetezana teo aloha, satria tsy nahatanty ny vesatry ny fiarabe nandalo teo, tamin’ny avrily 2023. Zahatra no niampitan’ny olona, ny moto ary ny bisikileta, sady nandoavam-bola, nandritra ny 3 taona. Miroboka anaty rano kosa ny fiara.
Afa-pahasahiranana ny mponina sy ny mpampiasa fiara, ankehitriny, satria lalandran’ny famatsiana vokatra mankany Toamasina ity tetezana ao Ivoloina Sandahatra ity. Avy eo amin’ny lalam-pirenena RN5, PK12, no mianandrefana mihazo ny lalana RIP7 no ahitana azy. Toraka izany koa ny entana avy any Toamasina, mamatsy ny any ifotony, mba tsy ho lafo ny vidiny ho an’ny mpanjifa.
Sajo




