Fandaharanasa Accéléreo : 50 tapitrisa dolara hanohanana ny PME

Famatsiam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa dolara no omen’ny fandaharanasa Accéléreo ny orinasa madinika sy salantsalany. Tanjona ny hahafahan’izy ireny mivelatra sy mamorona asa maharitra.

Fanamby lehibe atrehin’ny Malagasy mpandraharaha ny fisitrahana famatsiam-bola, ny tsena ary ny fampifanarahana ny tetikasa amin’ny teknolojia. Antony nahatonga ny governemanta sy ny tetikasa Pôles intégrés de croissance Pic, vatsian’ny Vondron’ny banky iraisam-pirenena, nanao ny fandaharanasa Accéléreo. Tanjona ny hanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany PME ka hahafahan’izy ireo misitraka famatsiam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa Ar. Kendrena ny hampivelatra ny tetikasany sy hahafahana mamorona asa maharitra. Misokatra ho an’ireo orinasa ara-dalàna, manerana ny Nosy, anatin’ny faritra 9 sahanin’ny tetikasa Pic 3 sy mampidi-bola isan-taona, eo anelanelan’ny 50 tapitrisa sy 500 tapitrisa Ar ny fandaharanasa. Natao koa ho an’ireo misehatra amin’ny haitao ara-kajy mirindra, ny fandraharahana ara-pamokarana “agribusiness”. Ankilany, hisitraka fanohanana ara-teknika, mandritra ny 12 volana, avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy avy any ivelany ireo orinasa voafantina.

Tohana
Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fanohanana ny sehatra tsy miankina. Kendrena manokana ny hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola. Manana hatramin’ny 1 septambra, amin’ny 11 ora sy 59 mn alina, ireo mpandraharaha avy ao amin’ny faritra Diana, Analanjirofo, Atsi­na­nana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo andrefana hisoratra anarana sy handefa ny atontan-taratasy ao amin’ny tranokala www.accelereo.mg. tahaka izany koa ny avy eto Ana­lamanga, Atsimo Atsinanana ary Anosy.

Henintsoa

Partager sur: