Nivoaka ny paikady maharitra mahakasika ny fanatsarana ny lohamenaka. Voarakitra anatin’izany ny fanamafisana ny fikarohana teknolojia mba hampihenana ny fampiasana kitay hanodinana menaka. Torak’izany ny fanatsarana ny rafitry ny fanondranana sy ny fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mivoitra amin’ny paikady ihany koa ny fanamorana ny fahazoana tany sy ny fampiroboroboana ny fambolen-kazo. Fanampin’ireo ny fanohizana ny ady amin’ny tsy ara-dalàna sy ny fandrindrana ny tsena hampakarana ny sandam-bokatra.
Fehinkevitra nivoaka nandritra ny atrikasa nataon’ny Vondron’ny mpandraharaha mpanondrana lohamenaka eto Madagasikara (Gehem), ny herinandro teo, tany Fianarantsoa, ireo. Tanjona napetraka ny hamolavola paikady hiatrehana ny fanambin’ity seha-pihariana ity. Hanomezan-danja koa ny vokatra malagasy. Ankilany, voaresaka nandritra ny dinika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny famokarana sy ny paikady apetraka hampaharitra ny sehatra ary ny fomba hanatsarana ny fifaninanana. Marihina fa faritra anisan’ny mpamokatra lohamenaka ny ao Matsiatra Ambony sy Ihorombe. Vokatra izay mampisongadina an’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Henintsoa




