Nitondra fanazavana ny orinasa Enelec, manoloana ny tsy fahatomombanan’ny famatsian-jiro any amin’ireo tobim-pamokarana tantaniny. Toe-javamisy nahatonga ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mickaël, nanakihana ny orinasa, afakomaly. Niaiky ny Enelec fa nisy ny olana ara-teknika goavana sy tsy azo nanoharana, nosedraina. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny orinasa raha vao nitranga ny fahasimbana. Nikaroka vahaolana ny mpiasa, niaraka tamin’ny Jirama, mba hitsinjovana ny fitohizan’ny famatsiana herinaratra. Notsorin’ny tomponandraikitry ny orinasa Enelec fa raisin’izy ireo am-panajana feno ny ahiahy nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, mahakasika ny fahatapahan-jiro. Tranga izay tsy azo nosorohina tamin’ny tanàna sasany tantanin’izy ireo ny tobim-pamokarana.
Mikaroka vahaolana
Tsapan’ny orinasa Enelec ny fahasahiranana ateraky ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana herinaratra. Manoloana izany, manamafy ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa fa tsy mitsahatra mikaroka ny vahaolana andro aman’alina, hamahana haingana ny olana ara-teknika, sady hampitomboana ny vokatra herinaratra.
Nomarihin’ny mpitantana ny Enelec fa orinasa malagasy izy ireo. Mifanome tanana hatrany, toy ny efa fanaony, indrindra rehefa misy ny loza voajanahary. Singaniny amin’izany ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany teo, tany Toamasina.
Njaka A.




