VAOVAO TAMBATRA

Nisy fiarabe iray nitondra solika mavesatra nibahana teo Ambohipeno, nanomboka ny alatsinainy 20 jolay teo tamin’ny 6 ora sy 30 mn hariva. Tsy mbola afaka teo an-toerana ity kamiao ity, omaly talata tamin’ny 7 ora hariva. Nisy fikorontanany, noho izany, ny famatsiana herinaratry ny Jirama, ao anatin’ny Tambajotra Iraisan’ Anta­nanarivo (RIA), nanomboka, omaly tamin’ny 5 ora sy 30 mn hariva. Tsy mbola niverina amin’ny laoniny ny famatsiana, hatramin’ny fotoana nanoratana ny gazety.
Tafakatra 91,40 dolara ny vidin’ny solika 1 barila (1b= 159 litatra), omaly, teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Io no vidiny farany ambony indrindra taorian’ny niverenan’ny ady eo amin’i Etazonia sy Iran, nanomboka ny 1 jolay teo, izay nitentina 70 dolara. Hatramin’ny nanombohan’ny ady, tamin’ny 28 febroary 2026, ny 4 mey 2026 no lafo indrindra ny vidin-tsolika, nahatratra 113 dolara ny 1 barila. Tsy niova kosa ny eto amintsika, tato anatin’ny 3 volana farany.
Madiva ho vita ny lalana amin’ny RN6, eo Ambanja hatrany Antsiranana. Mirefy 233 km ity lalana ity, ka efa vita tanteraka 100 % ny eo Ambanja hatrany Ambilobe, mirefy 101,72 km (Lot 1). Miisa 48 ny tetezana lehibe namboarina ary 291 ny fanarian-drano. Vita hatramin’ny 94,11% kosa ny ampahany faharoa (Lot 2), eo Ambilobe hatrany Antsiranana, mirefy 131,6 km. Miisa 88 ny tetezana lehibe namboarina raha 509 ny fanarian-drano. Asa hamitana azy, ny fametrahana ny sosona godirao farany, ny famantarana eny an-dalana, fametrahana arofanina vy amin’ny tetezana, sns.

Partager sur: