Nisy namono i Larissa ilay zaza very tao Ambositra, ny volana avrily lasa teo. Rehefa nanao ombay mitady tamin’ny tambajotran-tserasera ny ray aman-dreniny, dia hita omaly ny razana. Nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty gony, avy eo natsipy tany anaty lavapiringa. Olona efatra no voasambotra sy naiditra am-ponja tamin’ity raharaha ity. Voalaza fa niaiky ny helony ny iray tamin’ireo voarohirohy.
Raha ny nofo mangatsiakan’i Larissa no hitan’ny ray aman-dreniny, zazakely vao teraka kosa no hitan’ny olona nisy nanary tany Antsirabe, ny talata 21 jolay 2026, tokony ho tamin’ny 3 ora sy 45 minitra tolakandro tany ho any. Nampandre ny polisim-pirenena avy amin’ny PMPM Antsirabe ny fokonolona vao nahita izany. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony sy nanao ny fanadihadiana izy ireo. Hita teo akaikin’ny Institution Marthe Hervé, Mahafaly Vatofotsy, ilay zaza. Efa nandray an-tanana izany ny fokonolona tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Salama tsara ilay zaza izay tombanana ho telo andro eo ho eo ny nahaterahany. Taorian’ny fanadihadiana, noentina tao amin’ny PMPM Antsirabe ilay zaza.
Mino




