Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy famakiana trano, voasambotry ny fokonolona sy ny Vaomieran’ny fandriampahalemana teny Paraky, Andrefan’i Mananjara, ny alatsinainy hariva, tamin’ny 5 ora teo ho eo. Niakatra avy eny ambaravakelin’ny tokantrano iray izy ary nalainy tao ny fahitalavitra iray. Nahatsikaritra izany ny fokonolona eny amin’ny manodidina ka nampandre ny fokontany. Natao ny fanenjehana ilay olon-dratsy ka tratra tsy lavitra teo ny tenany. Nentina notazomina tao amin’ny fokontany ny tenany, avy eo nalefa teny amin’ny CPS 5 Mahamasina. Voalazan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany sy ny mponina eny an-toerana fa anisan’ny raindahiny amin’ny asa fanendahana sy ny famakiana trano eny amin’ny manodidina ity olon-dratsy ity. Efa nigadra matetika, saingy afaka foana. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo mba hanome sazy faran’izay mafy indrindra ho an’ity lehilahy ity. Efa namoaka vava rahateo ny havany fa tsy maintsy tafavoaka ny havan’izy ireo.
Etsy ankilany, mitaintaina ireo vaomieran’ny fandriampahalemana eny an-toerana satria mitondra basy ireo olon-dratsy rehefa manao ny asa ratsiny. Manao antso avo izy ireo mba hanampiana mpitandro filaminana hiara-miasa amin’ny famongorana ny mpanao ratsy.
Marihina fa nahenoana trangana fanendahana miisa roa teny an-toerana, tao anatin’ny herinandro. Maratra ireo lasibatra ary lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny entana eny aminy, toy ny firavaka volamena. Niakatra fampanoavana omaly, teny anivon’ny fitsarana, ity olon-dratsy ity.
Mino




