Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, ny fandaharanasa Fandroso, hanohanana ny tanora manana tetikasa. Misy karazany roa izany, ny sokajy Tsiry, ho an’ny tanora vao manomboka handraharaha sy ny Tafita ho an’ireo hanitatra ny fihariany.
Ho lasa mpamorona asa mihitsy ny tanora, fa tsy tokony hiandry asa fotsiny. Maro ny tanora manana talenta sy fahaiza-manao, saingy mbola sakana ho azy ireo ny tsy fahampian’ny renivola sy ny rafitra fanohanana. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa Fandroso, omaly, ny filoha Randrianirina Michaël. Nambarany fa vola mitentina 200 miliara Ar no atokany ho famatsiana ny fandaharanasa amin’izao fanombohana izao. Anehoany fa tsy kabary fotsiny ireny fanentanana sy antso niantefa tamin’ny tanora, nataony tamin’ny 31 desambra 2025, ireny. Nohamafisiny fa tanora maro no miditra eo amin’ny tsenan’ny asa isan-taona. « Anjaran’ny fanjakana ny manokatra varavarana ho anareo, fa anjaranareo kosa ny miditra sy manorina ny hoavinareo. Ho vahaolan’i Madagasikara ianareo fa tsy ho olana, tsy vesatra fa ho hery hananganana ny firenena », hoy ihany ny Filoha.
Mizara sokajy roa ny fandaharanasa Fandroso. Voalohany, ny sokajy Tsiry, natao ho an’ny tanora vao manomboka handraharaha (Start-Up). Faharoa, ny sokajy « Tafita », ho an’ny tanora efa mandraharaha fa te hanitatra ny tetikasany sy ny fihariany.
Averina afaka 2 na 3 taona
Afaka mahazo famatsiam-bola hatramin’ny 60 tapitrisa Ar no mihoatra ny tetikasa iray, arakaraka ny seha-pihariany. Arakaraka ny fahamatoran’ny tetikasa sy ny fivoarany no hanohanana ara-bola. Ambany ny zanabola, averina ao anatin’ny 2 na 3 taona.
Sehatra ho tohanan’ny Fandroso ny lafiny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny varotra, ny asa tanana, ny fizahantany, ny indostria, ny tolotra, ny niomerika, ny teknolojia, sns. Ho refesina sy tombanana amin’ny isan’ny orinasa vaovao mitsangana ny fahombiazan’ny fandaharanasa. Niantso fiaraha-miasa amin’ny banky sy ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka ny filoha Randrianirina Michaël.
Njaka Andriantefiarinesy




