Nanomboka omaly, ary hifarana amin’ny sabotsy 25 jolay, ny Foara ho an’ny Fromazy aty afovoan-tany (FFHT), andiany fahatelo. Mikarakara azy ny M’Anja Event, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fiompiana, iarahana amin’ny Fohrm sy ny Malagasy Dairy Board (MDB). Manodidina ny 30 ny tranoheva, ahitana ireo mpisehatra amin’ny ronono sy ny mpanamboatra fromazy, hanomezan-danja ny vokatra vita malagasy. Saika ireo mpamokatra madinika sy salantsalany ny ankamaroany, saingy hita miavaka tokoa ny maha matihanina sy ny kalitaon’ny fromazy vokarin’izy ireo, izay ahitana karazany maro. Azo atao isaky ny tranoheva ny fanandraman-tsiro maimaimpoana.
Nambaran’ny minisitry ny Fiompiana, Randrianomenjanahary Riana, fa manohana hatrany ny Malagasy mpiompy ny fanjakana. Anisan’izany ny hanafarana masomboly ahitra, sakafo fihinan’ny biby fiompy, tsara kalitao sady afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Hisy ny fanapariahana ny fampitsiriana taranak’ombivavy enti-tanana (insémination artificielle), iarahana amin’ny MDB. Eo koa ny fampiroboroboana ny fiompiana osy sy ny fanodinana azy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Aman-jatony ny mpiompy hofanina amin’ny famokarana rononon’osy, satria io no mety kokoa any amin’iny faritra iny.
Njaka A.




