Famatsiana solika : Mikasa hanafatra any Oman i Madagasikara

Mikasa hanafatra solika mivantana any Oman i Mada­gasikara. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël sy ny delegasionina avy any Oman notarihin’ny Ab­dulsalam Bin Al Murshidi, filohan’ny fahefana misahana ny fampiasam-bola ao Oman, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloho, ny talata teo. Voaresaka manokana ny famatsiana solika izay azo ampiasaina avy hatrany ho an’i Madagasikara.
Nisongadina tao anatin’ny diniky ny roa tonta ihany koa ny fahavononan’i Oman hizara ny traikefany eo amin’ny sehatry ny angovo maitso. Ankoatra izany, samy naneho fahavononana hiara-miasa amin’ny angovo azo havaozina, toy ny herinaratra avy amin’ny masoandro, rivotra ary rano, ny fitantanana ny rano, ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany ary ny fambolena ny roa tonta. Nanolotra ny traikefany momba ny fotodrafitrasa, ny fitahirizana sa­kafo ary ny rojom-pamatsiana ihany koa ny delegasionina omanais. Hisy komity iombonana hatsangana hanara-maso ny fanatanterahana ireo tetikasa.
Araka ny nambaran’ny Fia­didiana ny Repoblika, vo­nona ny hanamafy ny fiaraha-miasa ara-barotra amin’i Oman amin’ny sehatry ny solika ny fanjakana malagasy. Efa anisan’ireo mpamatsy solika an’i Madagasikara i Oman, amin’ny alalan’ny OQ Trading sy ny Groupement pétrolier de Madagascar (GPM), ary mbola manan-kery hatramin’ny faran’ny volana novambra 2026 ny fifanarahana farany nosoniavina.

Henintsoa

Partager sur: