Atsahatra vonjimaika ny fihodinan’ny ampahany amin’ny Accelator ao Mandroseza, anio, noho ny fikojakojana atao ao an-toerana. Hanomboka amin’ny 7 ora maraina ny asa, izay haharitra ora valo. Hikorontana ihany koa ny famatsian-drano amina faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Toy ny eny Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, Antaninandro, Behoririka, Andravoahangy, Ambatomitsangana. Voakasika ihany koa ny eny Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, Tsiadana, Fort-voyron, Mahamasina, Ambolokandrina, Ankatso, Ambohipo, Ampandrana, Ankadivato, Ambanidia, La Haute Ville, Mahazoarivo, Ankadievo, Alasora, Imerimanjaka, Ankaraobato, Tanjombato, Andoharanofotsy, Fort-Duchesne, Ampandrianomby, Ampanotokana, Andraisoro, Antsahameva.
Tanterahina manomboka ity herinandro ity ny fanamboarana ny fotodrafitrasa “Plateforme multimodale logistique et portuaire de Toamasina” (PMLPT). Tetikasa lehibe hanova an’i Toamasina ho ivontoerana lojistika eto amin’ny faritra. Nisy ny fanalana ny mponina tsy ara-dalàna ao amin’ny Port Sec III izay atao manaraka ny didim-pitsarana efa nivoaka tamin’ny taona 2025.
Tanterahina anio, eny amin’ny CCI Ivato, ny fanombohan’ny Programme de partenariat pays (PCP) Madagascar 2026-2030. Hetsika hanandratana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny hoavin’ny toekarena malagasy.




