Anosipatrana: Zazavavy efatra taona, maty naolan’ny rainy

Namoy ny ainy, afakomaly alina, ny zazavavikely vao efa-taona monja, monina etsy Anosipatrana, rehefa naolan’ny rainy niteraka azy. Simba tanteraka ny Mahavehivavy azy ary notsetsemana sponjy, raha ny fanazavan’ny fianakaviany. Nitaraina ho narary kibo ilay zaza tao anatin’ny iray volana ka tsy maintsy naiditra hopitaly. Fantatra, nandritra ny fizahan’ny mpitsabo, fa voaolana izy ary simba tanteraka. Ankoatra izay, nodorana tamin’ny zava-mahadomelina ihany koa ny tanany, raha ny fitantarana ihany. Tsy nahatohitra ny aretina nahazo azy izy ka izao namoy ny ainy izao. Tombanana ho efa ela no niharan’ny herisetra ara-nofo io zaza io, saingy tsy nisy nahatsikaritra izany ny fianakaviany. Marihina fa nisaraka efa ho efa-bolana ny ray aman-dreniny ary niara-nipetraka tamin’ny reniny sy ny renibeny io zaza io. Tonga naka ny zaza any matetika anefa ilay rainy. Tonga namangy ny zanany maty ity raim-pianakaviana ity ary nihiratra tampoka ny mason-jaza efa nikipy. “Milaza ho mahita biby ilay zaza rehefa mahita ny rainy tamin’ny fotoana nahavelomany”, hoy hatrany ireo fianakaviany. Nanambara hatrany anefa ireo fianakavian’ilay zaza maty ireo fa lazain’ny havany fa adala sy marary saina ilay raim-pianakaviana nahavita nanolana ny zanany vavy. Tsy manaiky ny fianakavian’ilay zaza maty fa mangataka sy manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky izao raharaha izao. Takin’izy ireo ny hampiharana ny lalàna sy ny sazy tena mafy ho an’io raim-pianakaviana nahavita nanolana ny zanany vavy io. Efa nametraka fitoriana eny amin’ny mpitandro filaminana rahateo ny fianakavian’ilay zaza.

Mino

Partager sur: