Fandaharanasa PCP : Rafitra hananganana indostria maharitra

Paikady hampivoarana sy hampiroboroboana ny indostra malagasy ny « Programme For Country Partnership » 2026-2030. Fandaharanasa iarahan’ny fanjakana sy ny Onudi manatanteraka. Omena vahana ny hanodinana ny akora fototra eto an-toerana, hiantohana ny famoronan’asa mendrika ho an’ny tanora.

Manana loharanon-karena tsy voatran­draka i Madagasikara, izay soa fanararaotra ho fampiroboroboana ny indostria sy hamoronana sanda fanampiny eo amin’ny toekarena. Nivoitra izany nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny « Programme de partenariat pays » (PCP) 2026-2030, teny amin’ny CCI Ivato, ny alakamisy teo. Rafitra hanohanana sy hitarihana ny fanovana ny indostria eto Madagasikatra. Fandaha­ra­nasa tarihin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) sy ny fikambanan’ny Firenena mikambana misa­hana ny fampandrosoana ny indostria (Onudi).
Tombony ara-toekarena sy andry hampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara ireo vokatra miisa 239 azo avy amin’ny seha-pihariana 23. Tanjon’ny PCP ny hanamafy ny famokarana sy ny famoronana asa mendrika. Kendrena ihany koa ny hanohana ny famokarana manoloana ny fitomboan’ny mponina sy
ny fiovaovan’ny toetr’andro.
« Dingana lehibe amin’ny fanovana ara-toekaren’i Ma­dagas­i­kara ity fandaharanasa ity. Mikendry ny hanangana indostria maoderina, maitso ary afaka mifaninana », hoy ny filoha, ny kolonely Randri­anirina Michaël, tamin’ny lahateniny.

Sehatra

Hifantoka amin’ireo teti­kasa laharam-pahamehana amin’ireo sehatra stratejika sy ireo faritra manana tanjaka ara-indostria ny fandahara­nasa. Tanjona ny hanafoana ireo sakana ho an’ny fampivoarana ny seha-pihariana sy hampiroborobo ny fampiasam-bolan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ken­drena ao anatin’ny PCP ny hampakatra 70% ny tahan’ny fampidirana asa, raha 38% izany amin’izao. Hamafisina koa ny fanofanana. Tanjona ny hampisitraka izany ho an’ ny olona 100 000, hatramin’ny taona 2030, ka ho vehivavy avokoa ny 40% fara fahake­liny amin’izany. Nohamafisin’ ny Filoham-panjakana fa hametraka paikady indostrialy sy mampifandray ireo minisitera samihafa manomboka amin’ny famokarana hatrany amin’ny fidirana amin’ny tsena ny PCP. Nilaza ny minisitra Raharimanjato Ny Riana Nam­poina, fa « vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta malagasy sy ny Onudi ny PCP. Kendrena amin’izany ny hampiroborobo ny indostria, hanamafy ny sanda ifandraisana ary hanohana ny sehatra tsy miankina. Hisa­rihana fampiasam-bola sy hamorona asa, indrindra ho an’ny tanora sy ny vehivavy ».

Henintsoa

Partager sur: