Mitohy ny fanisana sy ny fanohanana ny tokantrano voakasiky ny fanatanterahana ny tetikasa Plateforme multimodale logistique et portuaire de Toamasina (PMLPT) ao amin’ny Port Sec III, Tsarakofafa. Nambaran’ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (Spat) fa laharam-pahamehana ny fanampiana ny fianakaviana voakasiky ny tetikasa sy hamaliana ny filany maika. Tao anatin’ny fanalalahana ny tetikasa, nisy ny fandravana ny fanorenana natao teo ambany fandrindran’ ny manampahefana sy ireo mpiara-miombon’antoka.
Nandefa ny ekipany koa ny Spat hanisa sy hanombana ny filan’ireo tokantrano voakasika. Nampiantranoana vonjimaika eny amin’ny hotely ny fianakaviana mila toerana azo antoka, raha mbola mitohy kosa ny fanombanana sy fanisana eny an-toerana.
Ankilany, noraisin’ny Spat ny fitarainan’ny fianakaviana sasany izay nilaza fa tsy ampy ny fampahafantarana azony momba ny tetikasa. Marihina anefa fa nilaza ny tomponandraikirra fa nanomboka ny volana avrily teo izany.
Fotodrafitrasa
Dingana voalohany amin’ ny fanatanterahana ny PMLPT, ny Port Sec III. Tanjona ny handrindrana ny fiantsonana sy ny fivezivezen’ny fiara vaventy mifandray amin’ny asa ao amin’ny seranan-tsambo. Kendrena ny hampihena ny fiantsonan’ny fiara vaventy eny an-dalambe, hanatsarana ny fifamoivoizana sy ny fiarovana eny an-dalana ary ny hanamorana ny fitateran’entana. Ankoatra izay, hanamora ny asa ao amin’ny seranan-tsambo sy ny sehatry ny logistika ary ny tolotry ny fitaterana ny tetikasa. Handray anjara ihany koa amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.
Henintsoa




