Hanomboka ny 31 jolay 2026 izao ny fanatanterahana ny tetikasa Fly Over, etsy Anosizato. Haharitra 2 taona tapany voalohany amin’ny asa, ataon’ny orinasa CGC. Hisy tetezana vaovao hatsangana, fa horavana kosa ny tetezana misy ankehitriny rehefa vita ny solony, sady hananganana ny Fly Over. Tsy ho tapaka ny fifamoivoizana. Tsy azon’ny sarety, ny bisikileta handehanana ny FlyOver fa any amin’ny tetezamby. Tsiahivina fa hasiana an’ity fotodrafitrasa FlyOver ity koa etsy amin’ny tetezana Ampasika mankany Itaosy.
Mirongatra indray ny fitrandrahana sokatra tsy ara-dalàna any atsimon’ny Nosy. Vehivavy 3 no tratran’ny zandary sy ny fokonolona tany Beloha Androy, ny 21 sy 22 jolay teo. Nitondra sokatra velona miisa 57, kitozan-tsokatra 7 gony (akoran-tsokatra 200). Lehilahy iray kosa no tratra tany Lavavolo Itampolo, nitondra akoran-tsokatra 4 sy henan-tsokatra 4 kg. Nidina tany an-toerana ny lehiben’ny CEF Ampanihy, ny ONG Tsa ary ny ONG MBP, nijery ifotony ny zava-misy.
Tantsaha miisa 326 no niofana mahakasika ny teknikam-pambolena « basket compost ». Hampiasana ity teknika ity ny fanatsarana ny fambolena legioma sy mangahazo. Nisitraka ny fiofanana ny mpamokatra any amin’ny fokontany Betanimenaky, Antevamena, Ankiliabo, any amin’ny kaominina sy distrikan’i Manja. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena amin’ny alalan’ny Drasa Menabe sy ny Fid.




