Noho ny fisaonam-pirenena… : Hetsika maro no foana na hahemotra

Nisy fiantraikany ratsy tamin’ireo mpisehatra amin’ny fikarakarana hetsika ny fisaonam-pirenena, omaly. Samy niezaka nitady vahaolana mety indrindra ireo voakasika.

Didim-panjakana tsy azo ivalozana, ka tsy maintsy narahin’ny rehetra. Mafy ny fahavoazana ho an’ireo mpikarakara hetsika efa nanomana seho isan-karazany, saika hotontosaina omaly. Samy manaiky kosa ny rehetra fa ambony lavitra noho izany ny ain’ireo mpiray tanindrazana nafoy, ka nanaiky ary nanaraka ny fandaminana takina rehefa fisaonam-pirenena toa iny omaly iny ireo mpikarakara hetsika.
« Nofoanana mihitsy ny seho fa tsy mety hakisaka noho ny tetiandro », hoy ny nambaran’ny tarika Ambon­dronA. Naneho ny fialantsiny tamin’ireo mpankafy efa nandany ny tapakila rehetra mialoha no naneho ny fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’ireo maty rehetra izy ireo. « Ny azo atao dia hahemotra ny 1 aogositra izao, ao Antsa­hamanitra ihany, ny Manala azy vita Bacc amin’ity. Ny tapakila rehetra efa lafo dia mbola manan-kery avokoa », hoy kosa ny fanambaran’ny Olombelo Ricky. Efa fotoana ifanomezana nandritra ny taom-polo maro ny azy ny « Ma­nala azy » rehefa tapitra ny Bacc, ka soa ihany fa nahita ny hevitra nanemorana ny hetsika.
Maro ireo tranga toy ireo, raha tsy hilaza afa-tsy ny « cabaret » tetsy sy teroa. Ma­nerana an’i Madagasikara ny fepetra noraisina, ka voakasika avokoa rehefa mety ho seho rehetra na inona na inona karazany, izay nokasaina ho natao omaly. Anisany ny « Festival Dona Be » tany Antsohihy, sns.
Na izany aza, nampita hafatra sady fangatahana tamin’ny mpitondra fanjakana ihany ireo mpikarakara hetsika sy ireo mpanakanto ny mba hijerena manokana ny asan’izy ireo amin’ny tranga toy izao. Maro ireo fandaniana tsy voaverina intsony ka lasa fatiantoka. Maro sy matetika koa anefa ny anton-javatra misy fiantraikany amin’ny asa fandraharahana manodidina ny fikarakaraka hetsika, toy ny krizy politika, valanaretina, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: