Fantatra fa mpifankatia no niara-namono an’i Sahala. Niray tsikombakomba taminy ny lehilahy roa hafa. Nirahin’ny mpimasy iray izy ireo ary nokaramaina nitady zazavavy atao sorona ka i Sahala no tojo azy ireo.
Taorian’ny filazan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Randrianirina Michaël, fa maty natao sorona i Sahala Fanekena, zazavavy 14 taona nonina tetsy Ampefiloha Ambodirano. Namoaka ny teo anivon’ny fitsarana malagasy sy ny zandarimariam-pirenena, omaly sy afakomaly, fa voarohirohy tamin’izany ny olona miisa efatra. Nahitana mpifankatia sy lehilahy roa hafa. Tompon’antoka tamin’io vono olona io ny mpimasy iray. Nanakarama sy naniraka ary nampitady zazavavy atao sorona izy io, raha ny fanazavana nataon’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay zazavavy kosa ireo mpifankatia. Mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo ny lehilahy roa. Nandritra ny fanadihadiana, niaiky ny heloka nataony sy nandray anjara tamin’io vono olona io ny ankamaroan’izy ireo. Voalaza tamin’izany fa novonoina natao sorona i Sahala.
Nahitana ody gasy maro
Ankoatra izay, nahitana ody gasy sy zavatra maromaro toy ny moara, tapa-kazo, rano sy menaka, emboka tany amin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny mpitandro filaminana. Nahitana kahie mirakitra ny fitadiavana sorona, izay nahitana toromarika mahakasika ny filana sorona akoholahy mena ihany koa tany amin’izy ireo. Natolotra ny fitsarana ny raharaha taorian’ny famotorana nataon’ny Sampana fikarohana ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary izao naiditra vonjimaika am-ponja izao. Nalefa eny Tsiafahy ireo lehilahy miisa telo, raha eny Antanimora kosa ny vehivavy iray.
Tsiahivina fa tsy hita i Sahala Fanekena, ankizivavy 14 taona, rehefa nirahina hividy mofo maraina ny 29 jona 2026 teo. Natao ny ombay mitady azy ary hita faty teny Amboanjobe, Antananarivo Atsimondrano, ny ampitson’io. Manoloana ireo olona mbola tsy hita hatramin’izao, mitohy ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana. Mitohy ny ady amin’ny tranga fahaverezana olona manerana ny Nosy.
Mino




