Maevatanàna : Nogiazana ireo fitaovam-pitrandrahana volamena

Tratran’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany, ny 19 jolay teo, ny teratany vahiny nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany amin’ny fokontany Marotalona, kaominina Antsiafabositra, distrika Maevatanàna. Nogiazana ireo fitaovana fitrandrahana volamena goavana nampiasain’izy ireo. Mampiasa milina vaventy mihitsy ireo mpitrandraka toy ny fandavahana tany (tractopelles), ny fanivanana ny volamena, sns.
Miisa telo ny teratany vahiny tratra tao an-toerana ary nohazonina vonjimaika ao amin’ny borigadin’ny zandarimaria Maevatanàna mialoha ny fanadihadiana lalina. Heverina fa mbola misy namany hafa miriaria any ka karohina noho izao tsy fanarahan-dalàna izao.
Nidina tampoka tany amin’ny fokontany Ambodizarona, kaominina Fetraomby, distrika Brickaville, ny 19 jolay teo, tratra ary nogiazana ihany koa ny fitaovam-pitrandrahana volamena tao amin’ny reniranon’i Rianala, izay tsy manana fahazoan-dalana. Teratany vahiny iray no tratra tany an-toerana ka andraisana fepetra.
Manamarika ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany fa misokatra ny fifampiraharahana ho an’izay vonona hanara-dalàna amin’ny sehatra fitrandrahana, saingy tsy mandefitra kosa amin’ireo izay minia mandika lalàna.

Njaka A.

Partager sur: