Nampahafantarina ny alakamisy 23 jolay teo ny andrana hampiasana ny teknolojia 5G Advanced (5.5G) eto amintsika. Voalohany mampiasa azy ny orinasa Yas Madagasikara ary fahefatra maneran-tany, aorian’ i Emira Arabo Mitambatra, Maorisy, Afrika Atsimo. Midika izany fa anisan’ny sangany amin’ny tontolon’ny fifandraisandavitra ity orinasa malagasy ity ary miara-miombon’antoka amin’ny Huawei. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Yas Madagasikara, Benoit Janin, fa « ity andrana ity dia maneho fa manana ny fotodrafitrasa avo lenta sy ny fitaovana ilaina hampiroboroboana ny teknolojia niomerika i Madagasikara. Tanjonay ny hiomanana dieny izao, hisian’ny tambajotra mamaly ny filan’ny mpanjifa amin’ny hoavy ».
Ho an’ny minisitry ny Paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny niomerika (MNDPT), Andriamampiadana Mahefa, manamarika izao fa malalaka ny fifaninanana eto Madagasikara. Mahazo toky ny mpandraharaha fa voaaro ny fampiasam-bola. Maro ny sehatra azo ampiasana ny tanjaka 5.5G, toy ny fambolena, ny fitsaboana, ny fanabeazana, ny faharanitantsaina artifisialy (IA), sns.
Fampiasam-bola 800 tapitrisa dolara
Mahatratra hatramin’ny 800 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’ny Yas, nanomboka ny niasany teto Madagasikara. Ampiasana tanjaka 4G daholo ny toerana rehetra, ahitana azy ary miditra tsikelikely ny fampiasana ny 5G. Maherin’ny 20 000 km ny tariby Back Bone manerana ny Nosy. Miisa 4 ny taribim-pifandraisana amin’ny any ivelany, any ambany ranomasina.
Njaka A.




