Tovolahy maty voatifitra ; Saika nodoran’ny olona ny biraon’ny polisy

Nikasa hanimba ny biraon’ny kaomisaria tao Ambohimahasoa ny vahoaka, omaly. Tezitra noho ny fahafatesan’ny tovolahy voatifitra izy ireo. Andaniny, voalaza fa saika hamaky trano ity maty. Ankilany, notifirin’ny polisy mamo izy.

Nidina an-dalambe nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana ary nanao sakan-dalana ny mponina any Ambohimahasoa, omaly. Nirohotra nihazo ny biraon’ny kaomisaria izy ireo, nikasa ny hanimba sy handoro izany. Anton’ny fihetsiketsehana ny fahafatesan’ny tovolahy iray, antsoina hoe: Safidy, ambaran’izy ireo fa notifirin’ny polisy niasa tany an-toerana, afakomaly 26 jolay 2026, tamin’ny 3 ora sy sasany maraina.
Jiolahy nikasa hamaky trano ity tovolahy maty voatifitra ity, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Nambaran’ny mponina sy ny fianakaviany kosa fa olon-tsotra fiaina izy. Tsy jiolahy fa olon-tian’ny tovovavy nipetraka tao amin’ilay trano nahatrarana azy izy. Tsy tao an-trano ilay vehivavy tamin’ny fotoana nahatongavany teny an-toerana ka nahatonga azy nihanika lavarangana. Nidaraboka anefa ny sarona tohatra fidirana tao an-trano ka henon’ny olona tao ambany rihana. Noheverin’ ireto farany fa jiolahy. Tonga teny an-toerana ny polisy rehefa naharay antso. Nosa­kanana ilay tovolahy saingy nanohitra sy nanambana ta­min’ny antsy. Voatery niaro tena ny polisy.
Nanomboka tezitra ny mponina tamin’ny fotoana nahitana ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly any an-toerana. Ha­me­traka fitoriana ilay polisy nitifitra ity tovolahy ity ny fianakaviany. Nilamina ny savorovoro teo amin’ny mponina sy ny mpitandro filaminana taorian’ ny fidinanan’ireo tomponandraikitra tany an-toerana.

Mino

Partager sur: