Tohin’ny fanafihana nitranga tamin’ny tsena mpamongady iray teny Ambodivoanjo, kaominina Alasora, afakomaly hariva, izay navoaka teto. Olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana taorian’ny fanarahan-dia sy sakana nataon’izy ireo, omaly alina. Tazomina vonjimaika sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny Brigade criminelle Anosy ireo olona tratra hatramin’izao. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ny marina sy ireo tompon’antoka tamin’iny asa fanafihana iny.
Tsiahivina fa notafihin’ny jiolahy miisa enina ny tsena mpamongady iray eny Ambodivoanjo, kaominina Alasora, afakomaly hariva, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy poleta roa sy antsy ary tsy nisy nisaron-tava izy ireo nandritra izany. Niditra an-keriny tao amin’ny tsena ireo olon-dratsy ary nanambana basy ny tompon-trano vantany vao tafiditra. Mbola nanapoaka basy intelo ihany koa izy ireo. Voaroba tamin’izany, ny vola mitentina 3 tapitrisa Ariary sy finday miisa roa ary fahana maromaro. Lasa nitsoaka avy hatrany izy ireo taorian’ny asa ratsy nataony. Marihina fa tsy nisy olona naratra na aina nafoy nandritra ity fanafihana ity.
Manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana eny amin’ny kaominina Alasora, mbola mihatra ny fepetra maro samihafa eny an-toerana. Anisan’izany ny fikatonan’ny trano fisotroana amin’ny 9 ora alina. Tsy maintsy mitondra karatra maha mponina sy ny karapanondrom-pirenena ny mponina.
Mino




