TSELATRA

Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy 20 taona, maty natelin’ny ranomasina tany Nosy Varika, afakomaly. Tsiahivina fa lakana iray mpitatitra olona avy ao Nosy Varika hihazo an’i Mananjary no nidona teo amin’ny andrin’ny tetezana ka vaky sy rendrika. Mpianatra ao amin’ny Lycée manambina ary vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ny taon-dasa izy io.
Lehilahy iray tratra nangalatra sy namaky tranon’olona teny Soamanandrariny, afakomaly 26 jolay 2026 teo. Tratran’ny zandary nanao fihetsiketsehana teny an-toerana izy tamin’ny 3 ora maraina. Tratra niaraka taminy ny fahitalavitra fisaka iray sy bisikiletan-jaza. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao taminy fa halatra avokoa ireo entana ireo. Tsy nahitana porofo mahakasika sy manambara fa azy rahateo ireo entana ireo.
Vehivavy 22 taona maty nanala zaza tany amin’ny fokontany Betsiavasana, kaominina Mandritsara, ny 22 jolay 2026 teo. Ny fahaverezan-dra be teo aminy no nitarika ny fahafatesany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanao ny fizahana ny razana. Nanala zaza tamin’ny alalan’ny otra sy tambavy tao an-tranony moa ity tovovavy ity. Mbola nahitana fitaovana sy tambavy tao an-trano.

Partager sur: