Tsenan’Anosibe: Mitentina 54 tapitrisa Ar ny entana may

Tafakatra 54 tapitrisa Ariary ny tetibidin’ireo entana simba tao amin’ireo tsena telo kilan’ny afo teny Anosibe, ny alin’ny alatsinainy teo, raha ny fanazavana voaray tamin’ireo tompon’­ny tsena, omaly. Mpivarotra kojakojan-dakozia vita amin’ny plastika no tena voa mafy, tamin’izy ireo, izay nahatratra 40 tapitrisa Ar ny fitambaran’ny entana simba. 10 tapitrisa Ar ny tao amin’ny tsena fivarotana fitaovan’ny mpianatra. 4 tapitrisa Ariary ny tao amin’ny tsena mpivarotra kapa. Tsena efatra no nirehitra ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany tany ho any. Kilan’ny afo tanteraka ny telo tamin’ireo, izay nahitana ny F037, 001 ary ny 036. Tonga teny an-toerana nifehy ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 9 ora sy 15 minitra alina. Tonga teny an-toerana nifehy sy niantoka ny filaminana ihany koa ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP5 Mahamasina sy ny avy eny Tsaralalàna. Niainga tao amin’ny tsena 036 ny afo. Nanambara ny lehiben’ny tsena, Razanarivo Norbert, fa mety ho olana amin’ny fahelan’ireo tarobia mitondra herinaratra eo anivon’ny tsena no mety nahatonga ny firehetana. Nambarany fa efa misy ny andrin-jiro tsy mandeha ao anaty tsena ary misy amin’ireo tsena sasany no tsy misy jiro. Misy anefa ny tsena mitarika jiro eo amin’ny tsena mifanakaiky aminy. Hisorohana ny tranga toy izao, ezaka ataon’ny tomponandraikitry ny tsena ny hisava ireo tsena mampiasa jiro tsy ara-dalàna.

Mino

Partager sur: