Fitaterana ana habakabaka : Miverina ny sidina Antananarivo-Comores

Hanomboka ny 30 jolay ny sidina voalohany mampitohy ny firenena roa tonta, taorian’ny fiatona aman-taona. Hisy sidina roa isan-kerinandro, isaky ny alakamisy sy alahady.

Vita sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Madagascar Airlines sy ny AFG Bank Madagascar ho fanamarihana ny fiverenan’ny sidina ana habakabaka Antanana­rivo­–Mahajanga–Moroni. Hetsika natao teo anatrehan’ny Masoi­vohon’ny Firaisan’i Comores eto Madagasikara, Caabi Elyachroutu Mohamed, sy ireo “diaspora” kaomorianina mo­nina eto Madagasikara. Mifo­totra amin’ny fisian’ny vondrona AFG eto Madagasikara sy any Comores ity fiaraha-miasa ity. Tanjona ny hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-bola eo amin’ireo firenena roa tonta. Hano­hanana ihany koa ny fivezivezen’ny mpandeha, ny mpandraharaha ary ny mpampiasa vola. Hotanterahina rahampitso ny sidina hanokafana izany, izay hanamarika ny fiverenan’ ny zotra mivantana mampitohy an’i Madagasikara sy Como­res, taorian’ny fahatapahana nandritra ny taona maro. Hisy sidina indroa isan-kerinandro, isaky ny alakamisy sy alahady.

Sehatra stratejika
“Dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fifandraisana ara-tantara sy ara-pirahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta izao fiverenan’ny sidina izao”, hoy ny masoivohon’i Comores miasa eto Mada­gasikara. “Maneho ny fanoloran-tenan’ny vondrona AFG amin’ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Comores ity fiaraha-miasa ity”, hoy kosa ny Tale jeneralin’ny AFG Bank Madagascar, Kadiatou-Ina Diallo. Hisy ny tolotra mifanaraka amin’ny filan’ny olon-tsotra sy ny orinasa, hanamorana ny fampiasam-bola sy ny fifanakalozana.
Nanamafy ny Tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Rabarilala Rado, fa “anisan’ny paikady apetraky ny kaompania ny hanamafy ny fifandraisana eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Ilaina ny miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka matanjaka hampandrosoana ny fitaterana ana habakabaka sy hanomezana tolotra manara-penitra ho an’ny mpandeha ». Hive­rina tsy ho ela ihany koa ny sidina mampitohy an’Antana­narivo sy Guangzhou.

Henintsoa

Partager sur: