Scamming: Mamotika ny toekarem-pirenena

Tranga mahazo vahana maneran-tany ny “Scam­ming”. Fisolokiana atao amin’ny alalan’ny internet na fifandraisan-davitra mba hangalana vola na angon-drakitra aman’olona. “Mamotika ny toekarena ny firoboroboan’izany. Antony nahatonga an’i Madagasikara nanangana ny Task Force miady amin’izany”, hoy ny sekretera mpanatanteraky ny biraom-pirenena miady amin’ ny famarinana olombelona (BNLTEH), Ra­mahandrisoa Éric. Anatin’ny fandinihana ny ady amin’ny Scamming ny fitondram-panjakana, hoy izy. Nambarany fa, teo aloha, fitahana sy alefa any ivelany ny Malagasy. Ankehitriny kosa, mibosesika miditra eto amintsika ity tambajotra ity. Mbola tsy ahafahantsika mamaritra ireo lasibatry ny Scamming ihany koa ny lalàna misy eto amintsika. Ankilany, nihatsara kosa ny naoty azon’i Mada­gasikara momba ny famarinana olona. Maro ny ezaka nataon’ireo mpiara-miombon’­antoka miady amin’izany ka nahafahantsika nivoaka ny “liste grise” taorian’ny volana septambra 2025. Namba­ran’ny tomponandraikitra fa ho tohizana izay ezaka sy ny asa vita izay hanatsarana hatrany ny vokatra.

Henintsoa

Partager sur: