Nipitika teny an-tanan’ny reniny: Zazalahikeky roa taona maty voahitsaky ny fiara 4×4

Niparitaka tamin’ny tany ny atidohan’ilay zazalahikely vao 2 taona, voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana, omaly, tetsy Ankorondrano Tsaramasay. Voafaoka teny an-tanan’ny reniny ka nipitika izy nandritra ny fiampitana arabe.

Zazalahikely vao 2 taona monja, maty voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana, tetsy Ankorondrano Tsa­rama­say, omaly tamin’ny 9 ora ma­raina. Handeha hiantsena ary niampita arabe niaraka tamin’ny ray aman-dreniny io zaza io. Avy any an-trano fonenany teny Ankoron­drano ary nandeha hividy zavatra tamin’ny mpivarotra antsinjarany iray tsy lavitra ny toerana nisehoan’ny loza izy ireo. Notantanan’ny reniny ilay zaza. Efa tafapita ny rainy saingy mbola tsy tafapita tsara ny arabe izy mianaka. Nisy fiara 4×4 iray, marika Toyota Land Cruiser, nandalo anefa ka nahafaoka ilay zaza izay teny an-tanan-dreniny. No­ta­risin’ilay fiara ny zaza ka voahitsaky ny kodiarana havanana. Vokany, vaky ny lohany ary niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany, maty tsy tra-drano ilay zaza. Niampita arabe avy any ankavanana ho any amin’ny ankavia io zaza io sy ny ray aman-dreniny no voadonan’ny fiara, raha ny fanazavana voaray tamin’ny dadatoan’ilay zaza maty. No­tarisin’ny fiara, avy eo voahi­tsaky ny kodiarana avy any ankavanana. Voalaza fa nandeha mafy io fiara nahavanon-doza io, raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso. Avy any Tsaramasay, hihazo an’Anko­rondrano, eny amin’ny Village des Jeux, ilay fiara tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Lehi­lahy iray no nitondra sy namily azy.

Natao andrimaso ny mpamilin’ny fiara
Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny polisy avy ao amin’ny PPA Ankorondra­no, ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana ary ny avy amin’ny Unité d’intervention rapide( UIR). Nentina nihazo ny biraon’ny polisy ny mpamilin’ilay fiara. Naiditra am-balam-pamonjana kosa ny fiara nentiny mandra-pahavita ny fanadihadiana. Ankoatra izay, niatrika fanadihadiana eny amin’ny polisy ihany koa ny ray aman-drenin’ilay zaza niharan-doza. Naka sy nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH, taorian’ny fanadihadiana nataon’izy ireo teny an-toerana. Nambaran’ireo mponina teny an-toerana fa ahitana lozam-pifamoivoizana, saingy naharatrana olona, eny amin’io toerana io. Tsy dia nahafatesan’olona anefa izany raha tsy tamin’ity tranga omaly ity, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: