Tra-tehaka teo am-pisolokiana Cash point, tao Toamasina Bazary Be, ny raim-pianakaviana iray, ny talata 28 jolay teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy 15 minitra. Tonga teo amin’ilay mpitazona Cash point ny telo lahy, tamin’io fotoana io. Somary manelingelina ilay mpivarotra ny iray. Niezaka nanontaniany tsirairay ny vidin’ireo gazety izay novarotan’ilay mpanao Cash point. Nividy fahana hatao amin’ny finday ny lehilahy faharoa. Naka vola mitentina 600 000 Ariary kosa ny fahatelo. Tanjona ny tsy hampitombona ilay mpivarotra noho ny hamaroan’ireo kaomandy voarainy.
Rehefa somary variana ilay mpivarotra, naharay lelavola 400 000 Ariary tamin’ny findainy ilay raim-pianakaviana nikasa haka vola tamin’ilay Cash point. Nampisehony ilay ramatoa mpivarotra izany. Rehefa nohamarinina teo dia fantatra fa tsy ara-dalàna ilay hafatra nilaza ny nandraisana ilay vola. Niantso vonjy avy hatrany ilay mpivarotra taorian’izay, ary tafavory haingana ireo mponina manodidina. Tafaporitsaka ireo roa lahy hafa niaraka taminy, saingy tsy tafahetsika teo amin’ny toerana ity farany ka noraisim-potsiny. Tonga teny an-toerana nisambotra azy ny polisy. Niaiky ny heloka vitany ity lehilahy voasambotra ity ary vonona ny hanoro ireo namana mpiara-manao asa ratsy aminy ihany koa. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Sajo




