Startimes: Mitombo ny tolotra vita malagasy

Mitohy ny fanomezan’ny orinasa Startimes fahafaham-po ny mpanjifa. Tolotra vaovao indray no homeny azy ireo, ary nitsinjovina manokana ny Malagasy manerana ny Nosy. Ani­san’izany ny horonantsary mitohy (série), mitondra ny lohateny hoe Famato. Handeha isan’andro, isaky ny amin’ny 6 ora hariva amin’ny Startimes manomboka amin’ny 12 aogositra ho avy izao. Haverina manontolo isaky ny sabotsy amin’ny 8 ora maraina.
Nilaza ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Startimes fa omena lanja manokana ny tranom-pamokarana malagasy, anisan’ny antony izao famoahana horonantsary mitohy vokarin’ny Malagasy izao. Tantara maneho ny fomba sy haren-tsaina malagasy ity horonantsary mitohy Famato ity.
Mitohy koa ny horonantsary vahiny adika amin’ny teny malagasy. Eo koa ny fitantarana lalao baolina kitra amin’ny teny malagasy.

Njaka A.

Partager sur: