Anisan’ireo fanamby apetraky ny fanjakana ny hamaha ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara. Mazàna tambajotra mpanao hosoka, mampiasa antontan-taratasy sandoka, mivarotra tany tsy ara-dalàna, mamoaka taratasy fananan-tany tsy ara-dalàna, ireo tranga samihafa misy.
Misongadina ao anatin’ireo tranga niseho tao anatin’ny volana vitsy ireo disadisa samihafa. Matetika miainga avy amin’ny fampivarotana tany tsy ara-dalàna natao teo aloha na taona maro taloha no fototry ny olana. Vokany, sarotra ny fitsarana ny raharaha manoloana ireo antontan-taratasy sandoka, hosoka sy fampiasana hosoka, fisolokiana amin’ny fananan-tany, fibodoana tsy ara-dalàna ary fifanolanana momba ny zo amin’ny fananana azy. Nivoitra ao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny tetikasa «Promotion d’une politique foncière responsable (ProPFR) tohanan’ny GIZ, fa “ny fisorohana ny ady tany dia miainga amin’ny famantarana sy fanenjehana ireo tompon’antoka amin’ny hosoka tany am-boalohany. Tsy mijanona amin’ny fanadihadiana ny vokatr’izany fotsiny”. Heloka bevava ihany koa, hoy izy, ny fanaovana hosoka amin’ny antontan-taratasy momba ny tany, ny fisandohana andraikitra, ny fivarotana fananan’olona hafa ary ny fisolokiana.
Ankohonana
Lasibatra voalohany ny tokantrano rehefa resy lahatra fa ara-dalàna ny tany novidiany sy nanorenany trano. Aty aoriana vao fantany fa tsy tompon’ilay tany ilay mpivarotra nividianany izany. Vokany, voasoloky sy lasibatry ny fibodoana tany tsy ara-dalàna ilay ankohonana. Toy izany koa ny raharaha Tsarakofafa ao Toamasina. Nanazava ny Spat fa ara-dalàna avokoa ny antontan-taratasy ananany araka ny didim-pitsarana nivoaka ny taona 2025, hananganana ny tetikasa Port Sec III. Niaiky ihany koa izy ireo fa mety misy amin’ireo tokantrano sasany no lasibatry ny fifampivarotana tany tsy ara-dalàna ka nomena tohana manokana. Nivoitra tao anatin’izay fa manodidina ny 270 ireo voakasika ary efa nanaiky hifindra toerana ny ankamaroany. Ankilany, tokony hanana politika mazava momba ny fananan-tany, miaro ny zon’ireo tompon-tany, ny fanjakana. Tokony ho afaka mandrava ireo tambajotra mpanao hosoka amin’ny antontan-taratasy, manohana ireo lasibatra ary miantoka ny fitsarana marina sy mangarahara ihany koa.
Henintsoa




