Tanterahana mandritra ny telo taona ny tetikasa « Hetsiky ny firaisamonim-pirenena ho an’ny vahoaka, ny zavaboary ary ny toetr’andro », vatsian’ny Norad vola. Tetikasa hanohana ny vondrom-piarahamonina sy ny fikambanana eny ifotony. Tanjona ny hitantana ny harena an-dranomasina, amin’ny fanamafisana ny LMMA, ny fisafoana ary ny fanaraha-maso ny jono. Handray anjara bebe kokoa amin’ny fanapahan-kevitra, amin’ny alalan’ny fiofanana sy ny fanohanana ny Fédération Milanoriake ary ny fikambanan’ny tanora. Hanatsara ny fivelomana, indrindra ho an’ny vehivavy sy ny tanora, amin’ny fanofanana sy fanohanana ny koperativa ary ny fanamorana ny fivarotana ny vokatra.
Nanolotra fanampiana ara-bola hanohanana ireo tokantrano voakasiky ny tetikasa “Plateforme Multimodale Logistique et Portuaire de Toamasina” ny SPAT. Mitentina 10 tapitrisa Ar izany ho an’ireo manana trano vita amin’ny hazo raha 20 tapitrisa Ar ho an’ireo nanana trano vato teny amin’ny Port Sec III. Nizara Acte de donation” an’ireo fianakaviana voakasiky ny tetikasa izay nafindra monina eny amin’ny toerana vaovao ao amin’ny Port Sec II ihany koa ny SPAT.
Miisa 150 ireo mpianatra avy amin’ny Oniversite sy ivon-toeram-pampianarana ambony nisitraka fiofanana momba ny tontolon’ny fandraharahana sy ny toetra tokony hananan’ny mpandraharaha, nandritra ny telo andro. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny Pôle stage Madagascar (PSM), hametrahana dieny mbola eny an-tsekoly ny kolontainan’ny fandraharahana eo amin’ny tanora. Hiomanany sahady ny tontolon’ny ass sy ny fahafahany mamorona asa rahatrizay.




