Hahemotra ny 1 aogositra izao. Izay no tapaka taorian’ny tsy nahafahana nanao hetsika ny alin’ny zoma 24 jolay teo, noho ny fisaonam-pirenena.
«Hatao amin’ny andro mazava mba hialana amin’ny resaka lavabe mahakasika ny fandriampahalemana», hoy ny nambaran’ny Olombelo Ricky, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Hôtel de l’Avenue, omaly.
Soa fa nety ny fifanarahana tamin’ireo voakasika rehetra, ka afaka nahemotra ny seho. «Mbola manan-kery avokoa ireo tapakila rehetra efa lafo, ary tsy misy miova afa-tsy ny andro sy ny ora hanombohan’ny seho, izay lasa amin’ny 3 ora », hoy kosa i Malala Rabemananjara, tomponandraikitra ao amin’ny Arya Agency, mpikarakara.
« Mampirevy no nitondrana azy hatrany am-boalohany. Ho an’ireo mpianatra nanala fanadinana, izay avy sempotra niatrika izany, no namoronako ilay hoe Manal’azy, satria ao no hanalana izay mavesatra. Esorina amin’ny mozika. Efa andiany faha-35 isika izao, fa efa indroa nandalo fihemorana ary efa nisy fotoana tsy navelan’ny manampahefana tamin’izany natao io… », hoy hatrany ny fanazavany.
Tsy miova ireo mpitendry miara-mitrotro ny « Manal’ azy » . Manana ora 4 eo iaraha-mamerina ireo vazo tsy lefin’ny taona ny rehetra. Hatao ho fanomezam-boninahitra an’i Ramy Franck, izay nodimandry vao haingana ihany koa ny seho. Ankoatra ny maha fianakaviana akaiky, mantsy, nanefy sy nanokatra ny lalan’i Ricky teo amin’ny mozika i Ramy Franck ka mendrika sy rariny loatra izany. Ahina kosa ny tsy hisian’ny « Manal’azy tanora zokiny » amin’ity noho ny fikorontanan’ny fandaharam-potoana vokatr’iny fihemorana iny.
Zo ny Aina




