« Jazz@Tohatohabato » : Omena sehatra kokoa ny Jazz Club CGM

Hotanterahina ny 5 aogositra ka hatramin’ny 9 aogositra izao ilay hetsika lehibe «Jazz@Tohatohabato», fanao isaky ny fotoam-pialantsasatra lehiben’ny mpianatra tahaka izao. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity taona ity ny fa­na­mafisana ny fifandraisana, fifanakalozana eo amin’ny samy tontolon’ny kolontsaina. Eo koa ny fanomezan-danja ny toerana manan-tantara an-tanàn-dehibe. Hiavaka ny seho «Grande scène», ny 9 aogositra manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, manoloana ny tohatohabaton’Anta­nina­renina. Omena sehatra kokoa ny Jazz Club CGM. Ho mpandray anjara mihitsy fa tsy hijanona ho mpikarakara fotsiny ihany. Ankoatra ireo tarika na­saina toa an-dry Raozy Gasy, 18, 3, saika mpa­nakanto na tarika nitsimoka avy ao amin’ny Jazz Club CGM avokoa no hanafana ilay sehatra lehibe amin’io. Nampa­nantena ny Mi’Ritsoka Production fa ho tsara ny kalitaon’ny feo ho tonga eny amin’ny mpijery.
Notazonina hatrany kosa ny fandaharam-potoana nandrafitra ny «Jazz@Tohatoha­ba­to» hatramin’izay. «Jazz Kids», ao amin’ny Tranom­poko­no­lona Analakely, ny alarobia 5 aogositra, amin’ny 2 ora. Seho hataon’ireo ankizy sy tanora tia jazz io. Ny zoma 7 aogositra, amin’ny 2 ora, «Jazz Quar­tier» eo anoloan’ny Tra­nompokonolona Isotry. «Jazz Street», ny sabotsy 8 aogositra, eo amin’ny Toha­to­haba­ton’Antaninarenina, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: