Hitodi-doha eto an-tanindrazana ny Vetso Réunion. Hanatanteraka seho tokana eto Madagasikara izy ireo, ny 12 desambra izao, ao amin’ny CC Esca Antanimena. Holalaovin-dry zareo eny an-tsehatra ilay « comédie musicale » nampitondraina ny lohateny « Volan’Ambatovinaky » izay ahenoina sy ahitana kalon’ny fahiny bagasy manontolo. Tantara tsangana amin’ny fiteny malagasy. Ravahin’ny hairahan’ny ankehitriny, tahaka ny « vidéos IA » ireo mba ho ravaka. Marihina fa efa nitety toerana na firenena maro (Montréal Canada, Paris, Nantes, Cambrai (Frantsa), Stuttgart (Alemainina) New York, ny tarika Vetso Réunion
Atrikasa roa misesy ho an’ny anio. Samy ao amin’ny CGM/GZ avokoa no hanatanterahina izany. «Ny teknika hoentina mamolaka ny feo», hiarahana amin’i Henn, hanomboka amin’ny 10 ora. Amin’ny 11 ora sy sasany indray, «Ny fitsipika ifehezana ny beso», hizaran’i Martin Zenker ny traikefany. Samy maimaimpoana avokoa ireo sady tafiditra sahady ao antin’ny fifanakalozana mandritra ny «Jazz@Tohatohabato» taona 2026.
Manana ny maha izy azy sa manana ny mampiavaka azy? Samy manana ny mampiavaka azy ny kolontsaina sy ny soatoavina. Mety hitarika any amin’ny samy manana ny maha izy azy, ihany, io raha mahay mifanaja sy mifameno ny olona, na ny fiarahamonina, na ny isan-tanàna sy isam-bohitra…Ny isam-paritra. Raha ny mifanohitra amin’izay no hita, mety hiteraka fialonana sy fankahalana ilay « mampiavaka sy maha izy azy » ny tsirairay. Noho izany, mila ianarana sy fantarina ny momba ny olona, toerana, faritra, sns, mba tsy hanaotao foana na hanao hevitra na fihetsika bontolo.




