Maty nodoran’ny fokonolona omaly, ny lehilahy iray nampangaina ho mpangala-jaza tany amin’ny fokontany Dango. Renim-pianakaviana roa samy hafa no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ankadindramamy sy Antsirabe noho io resaka io ihany. Mila mitandrina ny rehetra!
Manomboka miroso amin’ny fitsaram-bahoaka ny fokonolona. Lehilahy iray tsy salama saina, 32 taona, maty nodoran’ny olona velona tany amin’ny fokontany Dango, kaominina sy distrikan’i Faratsiho, omaly. Voalaza fa tratra nangala-jaza, lahikely enina taona, izy. Nisy olona niampanga azy tamin’izany, avy eo nanondro azy tamin’ny fokonolona. Taorian’izay, tsy niandry sy tsy nanadihady ny mponina. Nanampatra ny hatezerana taminy. Niharan’ny daroka sy vono ity farany ary nodorana.
Minitra vitsy taorian’ny zava-niseho, tonga maro teny amin’ny toerana nisehoan’ny fitsaram-bahoaka ny mponina avy amin’ny fokontany niavian’ilay lehilahy. Nilaza ireto mponina fa tsy mpangala-jaza velively izy. Manana olana, tsy salama saina, izy. Tonga nidina teny ifotony ny tomponandraikitra maro samihafa avy any an-toerana. Anisan’izany ny Lehiben’ny distrikan’i Faratsiho, ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana ary ny ben’ny Tanànan’i Faratsiho.
Nanao be midina ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha. Manao antso avo amin’ny olom-pirenena tsirairay avy ny tomponandraikitra mba hanolotra ny olona voampanga amin’ny manampahefana, mba hahafahana manao fanadihadiana sy hahafantarana ny marina. Voararan’ny lalàna rahateo ny fanaovana fitsaram-bahoaka ary mampigadra.
Renim-pianakaviana
Ankoatra izay, renim-pianakaviana roa samy hafa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ankadindramamy sy Antsirabe, noho io resaka io ihany. Nisy ny tranga tany amin’ny fokontany Voajanahary, disitrikan’Antsirabe. Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ny vehivavy iray 32 taona, omaly atoandro. Voalaza fa saika haka zaza miisa roa izy. Taorian’ny savorovoro, nandray andraikitra nitazona izany tao amin’ny biraom-pokontany ny tomponandraikitra mandra-pahatongan’ny mpitandro filaminana. Vehivavy iray koa no saika tratran’ny hatezeram-bahoaka teny Ambohidahy Ankadindramamy, afakomaly. Voalaza fa nikasa hangalatra zazalahikely. Nanohitra ny polisy izay nisambotra azy izy ka voatery nofatorana. Mbola miatrika fanadihadiana any amin’ny biraon’ny polisy ny tenany hatramin’izao.
Mino




