Misesisesy ny fahitana olona velonaina soamantsara taorian’ny fotoam-bavaka nandroahana devoly, natao tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny zoma 25 jolay 2026 teo. Taorian’io fotoana io, efa am-polony ireo olona hita. Velonaina soamantsara ary tsy misy atahorana ny fahasalamany, ara-batana sy ny ara-tsaina. Amin’ny ankapobeny, tonga manatona ny fianakaviany sy mody any amin’ny tokantranony ny ankamaroan’izy ireo, rehefa nataon’ny havany ombay mitady. Anisan’ny antony nialan’izy ireo ny trano fonenany ny disadisa eo amin’ny ankohonana. Anisan’izany ilay tovovavy 13 taona nandao ny tranon’ny ray aman-dreniny tao anatin’ny telo andro. Teo koa ny fahitana ny raim-pianakaviana iray teny Anosizato, izay tsy hita nanomboka ny 23 jolay 2026 teo. Vehivavy iray koa hita ny 29 jolay teo rehefa nokarohina nanomboka ny sabotsy 25 jolay teo. Natolotra ny fianakaviany, afakomaly, ilay zazalahikely voalaza fa nisy naka an-keriny. Fantatra fa ny rainy niteraka azy ihany no niaraka taminy. Navela namonjy ny toeram-ponenany eo Imerinafovoany ihany koa ilay raim-pianakaviana sy ny olona telo hafa.
Mino




