« Hanampy amin’ny fanadihadiana sy fanangonan-kevitr’ireo mpandraharaha ny vovonana niomerika natsangana », hoy ny Tale jeneralin’ny Fahefam-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC), Barthélémy, omaly, nandritra ny fanokanana ny birao vaovaon’ny ANMCC eny Ifarihy Ankaraobato. Hanafaingana ny fikirakirana ny antontan-kevitra ka hanamafy ny mangarahara amin’ny fomba fiasa ity rafitra ity. Manampy amin’ny fanadihadiana sy mampihena ny fotoana lany amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy izy io. Hanamora ihany koa ny fahazoana vaovao mahakasika ireo fepetra fanitsiana ara-barotra (Mesures correctives commerciales) ka hanamafy ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ANMCC, ny mpamokatra, ny indostria, ny mpanafatra entana ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, raha ny fanazavana hatrany.
Fampandrosoana
Ankoatra ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ampiasaina, manamafy ny anjara toerana stratejikany amin’ny fiarovana ny sehatry ny famokarana eto an-toerana ny ANMCC. Hita taratra izany amin’ny fampihenana ny tsindry ateraky ny fanafarana entana, ny fanohanana ny famokarana. Eo koa ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola sy ny fanomezana vahana ireo mpamokatra vaovao sy vokatra vaovao eto an-toerana. « Tanjona ny hiarovana ny indostria sy ny seha-pamokarana anatiny, hitandroana ny asa sy hahafahana mampiroborobo ny vokatra malagasy », hoy ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana.
Henintsoa




