« Miss Monde 2026 »: Tsy hanana solontena i Madagasikara

Efa mifantoka amin’ny andiany 2027 ny komity mpikarakara ny Miss Madagascar. Miantso mpikarakara matihanina handray an-tanana ny fahalavorarian’izany izy ireo.

Maka bahana ho an’ny tsara kokoa. He­rinan­dro vitsivitsy mialoha an’ilay hetsika goavana sy iraisam-pirenena “Miss Monde 2026”, nanao fanambarana ny komity mpikarara ny “Miss Madagascar”, fa tsy hanana solontena ny Malagasy amin’ity. Fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny dinika lava sy naharitra izy ity, mba tsy hanaovan-javatra anatin’ny hamehana. Mila fotoana lava dia lava ny fanomanana, ka aleon’ny komity mpikarara mifantoka avy hatrany amin’ny fikarakarana ny “Miss Mada­gascar 2027”, izay ho solontena malagasy any amin’ny “Miss Monde 2027”.
Ho fanatanterahana izany, hanomboka amin’ity volana aogositra ity ny fanomanana ny ho an’ny taona 2027. Hametraka lamina vaovao ny komity, ka hisy ny fiantsoana mpikarakra hetsika matihanina. Izay voafidy ka mahafeno ny fepetra takin’ny komity no hisahana ireo pitsompitsony rehetra, manomboka any amin’ny famolavolana, ny fandrindrana, hatrany amin’ny fanatontosana ny hetsika lehibe sady famaranana, izay hahafantarana izay ho “Miss Madagascar 2027”.
“Mila ny traikefan’ny matihanina ny komity mba hahalavorary ny fanomanana rehetra. Tsy fifaninanana hatsaran-tarehy sy bika fotsiny mantsy izy ity fa maro ireo singa mampifamatotra ny solontena ma­lagasy amin’i Madagasikara, izany hoe, ny firenena iray manontolo mihitsy no miaraka aminy”, hoy ny fanazavana anatin’ny fanambarana.
Tsiahivina fa hatramin’ny taona 2012, efa nisy 5 izay ireo tovovavy solontena malagasy nitondra avo ny voninahi-pirenena tamin’ny “Miss Monde”.

Zo ny Aina

Partager sur: