Ady amin’ny herisetra : Hitondrana hafatra ny zavakanto

Tsy natao ho fialamboly sy fanehoana talenta fotsiny ny zavakanto (teatra, slam, mozika, dihy…) fa azo ampiasaina hitondra hafatra hiteraka fiovana toe-tsaina sy fiovam-pihetsika eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa. Nisafidy ny hitrandraka ny zavakanto ho fitaovam-panentanana hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy (VBG), hampijoroana ny zon’ny vehivavy sy hametrahana fiarahamonina manome lanja mitovy ny lahy sy ny vavy ny hetsika Nifin’akanga. Nampivondrona tanora artista avy amin’ny sehatra maromaro ny fikambanana ary niketrika hamadihana ny traikefa ananan’izy ireo tsirairay avy hivoizana hafatra. « Indrain­dray mipaka kokoa ny hafatra amin’ny alalan’ny hira, dihy mihoatra ny teny na kabary fampiasa mahazatra », hoy ny mpanorina ny hetsika Nifin’­ akanga, Raveloarimisa Mbo­latiana.
Hoentina mitety an’i Mada­gasikara ny kanto novokarin’ireo mpanakanto ireo ary nosantarina tany Antalaha ny seho voalohany, ny volana mey teo. Nahafahana nitafa tamin’ny mponina tany an-toerana momba ireo lohahevitra ny hetsika ary nisy ny fifanakalozana mivantana.
Ankoatra izay, hisy koa fanentanana eny anivon’ny sekoly, miaraka amin’ny fifaninanana hampandraisana an­jara ny tanora mpianatra amin’ny talenta ananany. Tsy miova ny lohahevitra fa hifantoka amin’ny fanajana ny zo, ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy.

Vonjy

Partager sur: