INDRAY MIJERY

Notanterahina tao Antsirabe, ny 21 ka hatramin’­ny 23 jolay lasa teo, ny atrikasa fanavaozana sy fanatsarana ireo Référentiels ho an’ny asa « machiniste en conféction » sy « maintenancier en machine à coudre industrielle ». Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Unesco, amin’ny alalan’ny tetikasa Bear III, izy ity. Nandray anjara, tamin’izany, ny mpampiofana avy ao amin’ny CFP Ambohidratrimo sy ireo matihanina avy amin’ny Socota, hampifanarahana ireo lasi-panofanana amin’ny filan’ny sehatry ny asa sy hanofanana olona vonona hiasa avy hatrany.

Notontosaina tao amin’ny oniversiten’Itasy Faliarivo, tamin’ity herinandro ity, ny sonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny oniversiten’Itasy sy ny Ilontsera. Manokatra varavarana vaovao ho an’ny fikarohana momba ny haino aman-jery sy ny fifandraisana ary hanamafy ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ny akademika sy ny sehatra matihanina ny fiaraha-miasa. Nisy koa ny seminera momba ny fampianarana ny haino aman-jery sy ny fampahalalam-baovao, manampy amin’ny fanofanana ny tanora hahafehy ny fomba fampiasana ny vaovao sy ny haino aman-jery araka ny tokony ho izy.

Misy rindrin-drahona mandalo ao atsimon’i Madagasikara ka hanome rotsakorana any amin’ny morontsiraka Atsimo, ato anatin’ny roa andro. Hita taratra eny foana ny zavona ny maraina ho an’ny afovoantany sy ny atintany avaratra andrefan’ny Nosy.

Partager sur: