Fanaovana fitsaram-bahoaka : Lehilahy miisa dimy nalefa eny Antanimora

Niakatra fampanoavana omaly, ary nalefa eny Antanimora avokoa, ny lehilahy dimy voalaza ho nanao fitsaram-bahoaka teny Ampangabe, Ambohidratrimo. Nototoin’izy ireo vato ny lohan’ilay lasibatra, izay nampangaina fa mpangala-jaza.

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha hala-jaza narahina fitsaram-bahoaka ka nahafatesan’olona tany Ampangabe ny zoma 17 jolay 2026 teo. Voa­saringotra ny lehilahy miisa dimy. Anisan’izany ny lehilahy rain’ilay zaza voalaza fa nisy nangalatra sy lehilahy miisa telo hafa. Voampanga ho nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana ilay lehilahy voalaza fa mpangala-jaza ny roa tamin’izy ireo. ” Nototan’ izy ireo vato ny loha sy ny tongotr’ilay lehilahy ka nahafaty azy”, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olona nahita ny zava-nitranga. Na­nda ny fiampangana azy avokoa anefa izy dimy lahy ireo. Manoloana ny aina nafoy, notorian’ny fianakavian’ilay niharan’ny fitsaram-bahoaka avokoa izy rehetra ireo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary. Taorian’ny fihainoan’ny mpitsara mpanao famotorana, nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora avokoa izy rehetra ireo, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, omaly hariva.

Nifandroritana
Raha tsiahivina, nisy nangalatra teo an-tokotany, tao Andratrehana, fokontany Soa­manjaka-Avaratra, kaominina Ampangabe, ny ankizilahikely 6 taona, ny harivan’ny zoma 17 jolay 2026 tokony ho tamin’ny 06 ora. Niara-nilalao tamin’ny zokiny 10 taona izy. Niantso vonjy tamin’ny mponina ilay zokiny rehefa nahita izany. Henon’ny rain’izy ireo, izay teny an-dalana hamangy ny dadatoany ny hikiaka. Niverin-dalana avy hatrany izy. Natao ny fanenjehana ny mpanao ratsy ka tratra teny an-trotroin’ilay lehilahy ny zaza.

Notangoronan’ny fokonolona
Nifandroritana ilay zaza. Tsy nahatohitra ilay voalaza fa mpangala-jaza fa azon’ny rainy ny zanany. Nateriny tany amin’ny renibeny avy eo. Nampandrenesina ny andrimasom-pokonolona. Nitan­gorona sy namono ilay lehilahy ny mponina. Tsy navelan’izy ireo raha tsy maty. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny mpitandro filaminana avy amin’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Am­pangabe sy ny mpitsabo. Naterina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana taorian’izay. Iray andro taorian’ny zava-nitranga, na­m­baran’ny fianakaviany fa nandeha namangy ny anabaviny teny Meridaza, fokontany Antananambony, kaominina Ampangabe, io maty niharan’ny fitsaram-bahoaka io. Nanamafy ny fanambarany teny amin’ny biraon’ny zandary ny fianakaviany. Voamarina fa nandalo teny amin’io anabaviny io izy ny harivan’ny alakamisy 16 jolay 2026. Niala teny an-toerana ny zoma maraina 17 jolay 2026 avy nisakafo maraina.

Mino

Partager sur: