Niharan’ny fandrobana nataon’olon-dratsy ny mpivady nikasa hividy volamena tany Ambovombe Centre, afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Nividy santionana volamena tamin’olona izy ireo talohan’io tranga io. Taorian’ny fifampiresahan’ny roa tonta, nambaran’ilay mpivarotra fa mbola misy volamena any Manandriana. Nihazo an’Ambovombe Centre izay toerana hakana ny entana izy mivady ireo ny 30 jolay 2026. Nitondra moto izy ireo sady nitondra vola 15 tapitrisa Ar hividianana izany. Nisy tovolahy telo nipoitra tampoka rehefa tonga teo amin’ny toerana anelanelan’ny Fizinana sy Ambohimahazo, kaominina Ambohimahazo, izy mivady ireo. Nosakanan’ireo jiolahy niaraka tamin’ny basy ireto farany. Voaroba tamin’izany ny sakaosy misy ny vola mitentina 15 tapitrisa Ariary. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsiny.
Niantso vonjy sy nampandre ny mpitandro filaminana ireo voatafika avy eo. Tonga teny ifotony ny zandary avy ao Manandriana. Natao ny fanarahan-dia ka tratra tsy lavitra ny fanafihana ireo jiolahy. Voasambotra ny roa tamin’izy ireo, izay naratra mafy nandritra ny fisamboran’ny zandary ny iray. Tafatsoaka ny jiolahy fanintelony izay nitondra ny vola tamin’ny sakaosy. Efa mikaroka azy io ny zandary. Tsy nisy naratra kosa izy mivady lasibatra.
Mino




