voalaza ho nangala-jaza : Naiditra eny Antanimora ilay vehivavy

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antani­mo­ra, a­fakomaly, ilay ramatoa tratran’ny fokonolona voalaza ho nangala-jaza tetsy Ambo­hi­dahy Ankadindramamy, ny 29 jolay 2026 teo, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Raha tsiahivina, naka sary an-keriny ankizivavy 15 taona teny an-toerana izy ka nahatonga ny olona teny amin’ny manodidina niahiahy azy ho mpangala-jaza.
Raha ny fanazavana nataon’ilay ankizy lasibatra, nanenjika azy avy aoriana ilay ramatoa sady naka sary azy. Nandositra sy niantso vonjy izy vantany vao nahita izany. Naheno izany ny fokonolona teny an-toerana ka nirohotra nanenjika sy nisambotra ilay ramatoa voalaza ho naka sary an-keriny. Tonga teny an-toerana haingana ihany koa ny polisim-pirenena nisambotra ity farany sy nitondra azy tany amin’ny biraon’ny polisy. Voasoroka, noho izany, ny fitsaram-bahoaka nokasain’ny vahoaka hatao taminy.
Niara-nanao ny fanadihadiana ity raharaha ity ny mpanao Cellule d’enquête mixte, iraisan’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena etsy amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha taorian’ny famotorana ary izao naiditra am-ponja izao. Mbola mitohy ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity. Entanina hatrany ny olom-pirenena mba hampandre ny mpitandro filaminana raha misy tranga sy olona mampiahiahy.

Mino

Partager sur: