Anisan’ny andro lehibe nandrasan’ny tontolon’ny kabary ny omaly. Fotoana nanatontosana ny fifidianana izay hitantana ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany, manomboka izao.
Nandritra ny Zaikabe faha-6 nifarana omaly, tany Mahajanga no nanatanterahina ny fifidianana izay ho filoha hitondra ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Firenena 31 no nahitana mpifidy. Biraom-pifidianana 40, tao anatin’ny faritany Fi.Mpi.Ma miisa 18, no nandray ny fifidianana. 2 892 ny isan’ny mpifidy. Lany tamin’ny isam-bato 91,8% hitondra ity fikambanana zokiny sy mivelatra indrindra maneran-tany ity Rtoa Ranoromampionona Voary. Izy no filohan’ny foibe Fi.Mpi.Ma maneran-tany mandra-pahatonga ny Zaikabe faha-7 izay hotontosaina any Toamasina, afaka 4 taona. Ho an’ny tontolon’ny kabary malagasy, kihon-dalana lehibe ho an’ny hoavy manaraka ny hitantanany ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany nanomboka omaly.
Taorian’ny fianianana nataony, nitodika tamin’ireo raiamandreny, filoham-paritany, filohan-tsapana ary ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany izy mba hifanampy aminy amin’ny fampandrosoana ny kabary malagasy. « Mila anareo aho. Hifampitantana isika », hoy Ranoromampionona Voary. « Roso isika, manamafy ny vita, manatsara ny hoavy », hoy izy raha nitodika tamin’ny mpikambana rehetra maneran-tany. Nanentana ny tsirairay handray andraikitra hatrany ity filoha vaovao ity. Nasongadiny ihany koa ny finiavany sy fitiavany mifanakalo hevitra, miresaka.
Marihina fa Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala no nitantana ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany tao anatin’ny 20 taona (Taom-pitantanana dimy misesy). Izy no nodimbiasan-dRanoromampionona Voary.
HaRy Razafindrakoto




