« Kanto mifameno » : Seho iarahan’ny tarika Johary sy i Poopy

«Fitia voarara». Fampia­raham-peon’i Poopy sy ny tarika Johary, nivoaka tany amin’ny taona 1992 io. Angamba anisan’ireo fampiaraham-peo naharitra indrindra tamin’ny laza, satria mbola mitoetra hatramin’izao izany. Efa ela toy izany koa ny fiarahana, saingy tsy nisy matetika ny hoe Poopy sy ny tarika Johary irery an-tsehatra.
Nofinofy ho tanteraka ny an’ny mpankafy, satria izy ireo no hanatontosa ny se­ho « Kanto mifameno » , ny alahady 16 aogositra izao, ao amin’ny CCI Ivato, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Maromaro ireo hira notsongaina, iarahahan’i Poopy mampiara-peo amin’i Gothlieb, Luk ary Mahery. Misy hiran’olon-droa, telo sy rodobe. Hifan­garo ao ny hiran’ny tarika roa tonta mba hanehoana ilay « Kanto mifameno ». Na izany aza, samy hanana ampaham-potoana hanehoany ny sanganasany avy i Poopy sy ny tarika Johary, raha ny fanazavana avy amin’i Tantely Ralalarison, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Live Prod, izay mpikarakara.
Nosafidiana manokana ny CCI Ivato amin’ity « Kanto mifameno » ity, noho izy ma­hafeno ny fepetra amin’ny seho manara-penitra. Natao hifanakaikezan’ny mpanakanto sy ireo mpankafy azy ihany koa izany.

Zo ny Aina

Partager sur: