Nikatona ny « Iray volan’ny hosodoko ». Samy nahitana hetsika ireo faritra maro manerana ny Nosy, nanehoana ny sanganasan’ny mpanakanto mpiangaly izany. Nifarana, omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny fankalazana tamin’ity taona ity. Hisy ny fiaraha-miasa bebe kokoa eo amin’ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac, ho fanamafisana sy fampitana ny traikefa amin’ity seha-kanto ity.
Hivoaka anio ny tapakilan’ny « Marina mafy! ». Io ilay fampisehoana hataon’i Joely Kely na i C’est du Joely ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 13 septambra izao. Seho 4, nandritra ny 3 Andro nisesy mantsy no nataony farany teto an-tanindrazana, izay manaporofo fa be mpankafy ity mpanao hatsikana ity, ka mila toerana lehibe kokoa.
Anio ny « Manal’azy vita Bacc ». Ao Antsahamanitra ihany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Tsy miova ny seho homanin’ny Olombelo Ricky sy ny mpikarakara raha ny nambarany. Hodimbiasan’ny tarika Tselatra kosa izy, rahampitso alahady. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta mba hampirindra tsara izany.




