Naverin’ny fanjakana ny tombana isaky ny enim-bolana amin’ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana mba hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa sy hamahana ireo sakana. Kendrena ny hanamafisana ny fanaraha-maso ny asa mba hahazoana vokatra mivaingana ho an’ny fampandrosoana.
Miantso ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra samihafa ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, mba hiasa amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana, hiady amin’ny kolikoly. Hanamora ihany koa ny fomba fiasa ka hifantoka amin’ny vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny tombontsoan’ny firenena izany. Nivoitra izany nandritra ny jeritodika isaky ny enim-bolana amin’ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana (Revue de l’exécution budgétaire), rehefa niato nandritra ny enin-taona. Atrikasa notarihin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, teny amin’ny CCI Ivato. Nifantoka tamin’ny tetikasa fampiasambolam-panjakana (PIP) ny atrikasa. Tanjona ny handinihina ny fampiasambolam-panjakana, hijerena ny fandrosoan’ny tetikasa sy hamaritana ireo laharam-pahamehana ho an’ny enim-bolana faharoa amin’ity taona ity. Kendrena ny hanafainganana ny fanatanterahana ny tetibola sy hanatrarana ny mety ho fahatarana. Nanamafy ny Praiminisitra tamin’ny lahateny fanokafana ny atrikasa fa «na mbola ambany aza ny tahan’ny fanatanterahana ny tetikasa fampiasam-bolam-panjakana. Efa misy ny asa vita, azo hovaina ny fomba fiasa, ny dingana ary ny fahazarana manemotra ny fanatanterahana izany satria ny fiovana no ahafahana mahazo vokatra tsara kokoa». Nambarany fa mila hamafisina ny mangarahara amin’ny fitantanam-bolam-panjakana. Ilaina, hoy izy, ny fanombanana tsy tapaka mba handrefesana ny vokatra azo, hamantarana ny fahatarana ary hanafainganana ny fanatanterahana ny tetikasa. Notohizany fa tsy tokony hihena intsony ny fampiasam-bolam-panjakana fa tokony hampitomboina mba hanamafisana ny fampandrosoana eto Madagasikara.
Paikady
Nisongadina tao anatin’ny PIP fa anisan’ny fanalahidin’ny fampandrosoana ny fanamafisana ny fampiasam-bola. Kendrena ny handinihina ireo tetikasa efa vita, ireo mbola eo an-dalam-panatanterahana ary ireo sakana samihafa amin’ ny fanatanterahana azy. «Anisan’ny fahasarotan’ny dingana ara-pitantanana, izay mety mampiadana ny asa ary miteraka kolikoly. Tokony hamafisina ny fanatsorana ny fomba fiasa nefa koa tsy maintsy henjana ny sazy ho an’ireo manao kolikoly, mangalatra na manao tsirambina», hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé. Nivoitra tao anatin’izany fa ambany ny tahan’ireo tetikasa efa tanteraka, saingy betsaka ireo fotodrafitrasa vita. Miantso ireo mpisehatra rehetra, araka izany, ny Praiminisitra mba hiasa amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana, hiady amin’ny kolikoly. Hanamora ihany koa ny fomba fiasa ka hifantoka amin’ny vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny tombontsoan’ny firenena.
Henintsoa




